12. Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
13. Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
14. Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.
15. Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
16. Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
17. Aza velomina ny vehivavy manana ody.
18. Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
19. Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
20. Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
21. Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
22. Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23. ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
24. Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
25. Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
26. Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.