Eksodosy 18:15-27 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.

16. Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.

17. Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.

18. Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.

19. Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;

20. ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.

21. Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.

22. Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.

23. Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny.

24. Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.

25. Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.

26. Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.

27. Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.

Eksodosy 18