3. Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
4. Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
5. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
6. Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
7. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
8. Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima.