5. Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?
6. Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
7. Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
8. Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany.
9. Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
10. Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.