Eksodosy 12:41-46 Malagasy Bible (MG1865)

41. Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.

42. Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.

43. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.

44. Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.

45. Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.

46. Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.

Eksodosy 12