Eksodosy 12:33-44 Malagasy Bible (MG1865)

33. Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.

34. Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.

35. Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.

36. Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.

37. Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

38. Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.

39. Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

40. Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.

41. Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.

42. Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.

43. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.

44. Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.

Eksodosy 12