Eksodosy 12:26-38 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?

27. dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.

28. Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.

29. Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

30. Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.

31. Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: MitsangĂ na, mialĂ  eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.

32. Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.

33. Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.

34. Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.

35. Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.

36. Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.

37. Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

38. Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.

Eksodosy 12