8. Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
9. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
10. Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.