1. Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
2. Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.