26. ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
27. Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
28. Ary hoy Farao taminy: MialĂ amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
29. Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.