Eksodosy 10:19-29 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.

20. Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.

21. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.

22. Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,

23. koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.

24. Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

25. Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;

26. ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.

27. Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.

28. Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.

29. Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.

Eksodosy 10