13. Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
14. Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
15. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
16. Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17. Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
18. Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
19. Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20. Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22. Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
23. koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
24. Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25. Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
26. ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.