1. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
2. ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3. Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4. Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;
5. dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6. dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao.
7. Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
8. Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
9. Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
10. Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
11. Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
12. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.