1. Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2. Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3. mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4. Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
5. Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
6. tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7. amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
8. satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.