Efesiana 3:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,

12. Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.

13. Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.

14. Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray

15. Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,

16. mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;

Efesiana 3