6. Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.
7. Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
8. tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,