15. Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16. Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17. Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18. dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,