Deotoronomia 33:9-20 Malagasy Bible (MG1865)

9. Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.

10. Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao'izy Sy fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaranao.

11. Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan'ny tànany; Asio mafy ny valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.

12. Ary ny amin'i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan'i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.

13. Ary ny amin'i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ny taniny Amin'ny zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny rano lalina mamitsaka any ambany,

14. Ary amin'ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,

15. Ary amin'ny zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny havoana mandrakizay

16. Mbamin'ny zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.

17. Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.

18. Ary ny amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.

19. Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.

20. Ary ny amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny tampon-doha.

Deotoronomia 33