9. Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
10. Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
11. Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany,
12. Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
13. Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato