14. Sy rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman'osy Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka ianao.
15. Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
16. Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa Izy; Ary tamin'ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
17. Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo.
18. Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
19. Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny zananivavy.
20. Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
21. Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay firenena adala.
22. Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza.
23. Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
24. Hofezahin'ny mosary izy sady holanin'ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny poizin'ny biby mpikisaka amin'ny vovoka.
25. Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.