Deotoronomia 31:6-21 Malagasy Bible (MG1865)

6. Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.

7. Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.

8. Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

9. Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra.

10. Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo,

11. ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.

12. Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.

13. Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.

14. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.

15. Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona.

16. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.

17. Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?

18. Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.

19. Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.

20. Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.

21. Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.

Deotoronomia 31