Deotoronomia 3:15-19 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary Gileada dia nomeko an'i Makira.

16. Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona,

17. ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia ao atsinanany.

18. Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.

19. Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanĂ nanareo izay nomeko anareo,

Deotoronomia 3