Deotoronomia 29:22-25 Malagasy Bible (MG1865)

22. fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany

23. dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao fahatezerana lehibe izao?

24. Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.

25. Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;

Deotoronomia 29