2. ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
3. Hotahina ianao ao an-tanĂ na, ary hotahina ianao any an-tsaha.
4. Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
5. Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.