Deotoronomia 25:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,

9. dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.

10. Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.

11. Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,

12. dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.

13. Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.

14. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.

15. Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

16. Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.

17. Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,

18. dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.

19. Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.

Deotoronomia 25