4. ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
5. Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
6. Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
7. Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny Zanak'Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8. Mitandrema ny amin'ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
9. Tsarovy izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Miriama teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta.
10. Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
11. Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
12. Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
13. fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.