6. Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
7. Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
8. Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
9. Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota.
10. Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11. Ireo koa no natao ho Refaita tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
12. Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.)
13. Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
14. Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah taminy.
15. Ary koa, ny tànan'i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby.
16. Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17. dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18. Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19. dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
20. Izany koa no natao ho tanin'ny Refaita; fa ny Refaita no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
21. Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
22. araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
23. ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
24. Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.