Deotoronomia 17:4-8 Malagasy Bible (MG1865)

4. ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:

5. dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.

6. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.

7. Ny tanan'ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.

8. Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanĂ nanao, dia miaingĂ  ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao.

Deotoronomia 17