1. Aza vonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
2. Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
3. ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin'ny masoandro, na amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
4. ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
5. dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
6. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
7. Ny tanan'ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8. Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao.
9. ary mankanesa amin'ireo Levita mpisorona sy amin'ny anankiray izay mpitsara amin'izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
10. Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
11. Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay hambarany aminao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.