Deotoronomia 16:17-22 Malagasy Bible (MG1865)

17. fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.

18. Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanĂ nanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.

19. Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.

20. Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

21. Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.

22. Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.

Deotoronomia 16