1. Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.
2. Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany.
3. Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.
4. Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany.
5. Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanĂ nanao rehetra izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao;