27. ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
28. Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
29. ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao.