Deotoronomia 14:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty.

2. Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.

3. Aza mihinana izay fahavetavetana.

4. Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy

5. sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:

6. izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.

Deotoronomia 14