1. Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
2. Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
3. sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
4. dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
5. Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.