Deotoronomia 12:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.

6. Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drĂ  sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo;

7. ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.

8. Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.

9. Fa ianareo tsy mbola tonga any amin'ny fitsaharana sy ny lova izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

Deotoronomia 12