1. IZAO no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.
2. Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
3. Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.
4. Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
5. Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
6. Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo;
7. ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
8. Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
9. Fa ianareo tsy mbola tonga any amin'ny fitsaharana sy ny lova izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
10. Fa rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka monina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan'ady amin'ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
11. dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin'i Jehovah.