Deotoronomia 11:14-26 Malagasy Bible (MG1865)

14. dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;

15. ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.

16. Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;

17. ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.

18. Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;

19. ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;

20. ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy;

21. mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.

22. Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,

23. dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.

24. Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.

25. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.

26. Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:

Deotoronomia 11