Daniela 9:11-13 Malagasy Bible (MG1865)

11. Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.

12. Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.

13. Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.

Daniela 9