Daniela 8:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.

2. Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.

3. Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.

Daniela 8