Daniela 7:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.

2. Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.

3. Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.

4. Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.

5. Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.

6. Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.

7. Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.

Daniela 7