Daniela 5:15-18 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;

16. ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.

17. Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.

18. Ny aminao, ry mpanjaka รด, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;

Daniela 5