Daniela 5:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no nisotroany divay.

2. Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony.

3. Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.

4. Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.

5. Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.

6. Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.

7. Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana izy.

8. Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.

9. Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.

10. Ary ny renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.

11. Misy lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra; ka nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben'ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;

Daniela 5