Daniela 4:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.

2. Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.

3. Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.

4. Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.

5. Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:

6. Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.

7. Fa izao no fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.

8. Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.

9. Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.

Daniela 4