Daniela 3:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.

2. Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.

3. Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.

4. Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:

5. Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,

6. ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.

7. Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.

8. Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.

9. Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.

Daniela 3