Daniela 12:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.

2. Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.

3. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.

4. Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.

5. Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.

Daniela 12