Daniela 10:17-21 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa aiza no ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.

18. Ary nisy indray nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy

19. ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.

20. Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia.

21. Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.

Daniela 10