Asan'ny Apostoly 6:9-11 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.

10. Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;

11. dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an'i Mosesy sy Andriamanitra ity.

Asan'ny Apostoly 6