3. Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany.
4. Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
5. Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6. Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7. Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
8. Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9. Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
10. Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
11. Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany.
12. Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
13. Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,