Apokalypsy 7:10-13 Malagasy Bible (MG1865)

10. dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry.

11. Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra

12. nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.

13. Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?

Apokalypsy 7