1. Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
2. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.